Hafa kely ! Minisitra no notendrena, depiote indray no manjakazaka. Ity depiote ity no manapaka izay olona handrafitra ny kabinetra sy ireo tompon’andraikitra rehetra ao anatin’ny minisitera izay sahanin’ilay Minisitra akaiky azy.
Manoloana izany, dia ireo olona manolotra vola any ambadika no tena raisin’ity depiote ity hiaraka hiasa amin’ilay Minisitra namany, fa eo ihany koa anefa ny fametrahany ireo namany ao anaty minisitera. Manaiky ary mankato tanteraka ity depiote ity ilay Minisitra, eny fa na dia fantany izao aza fa mety hitarika azy amin’ny fanozongozonana ny sezany ny fihetsika rehetra ataon’ity olom-boafidy ity. Mampitaraina olona maro ao anatin’ilay minisitera ny fihetsika ataon’ity depiote iray izay olona tena akaiky ny Minisitra vaovao. Raha ny loharanom-baovao avy amin’ireo depiote tsy miankina, dia fantatra fa anisan’ireo anarana natolotra ho minisitra ny anaran’ity depiote ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.