Tsy ny filoha Tiorka ihany no mankaty Madagasikara fa maro ireo firenena mifandrombaka sy miady sisika ho aty amintsika, hoy i Eric Rakotomanga, mpitarika ny antoko AKFM.
Mampieritreritra ihany ny antony hisisihan’izy ireo aty amintsika. Ho an’ity antoko ity dia resy lahatra izy ireo fa hikatsaka ny hitavana ny harem-pirenena eto amintsika no tena tanjony. Tsy dia mifandraika amin’ny mety ho famindrana ireo mpitsoa-ponenana any Eoropa hafindra aty amin’ny tany Afrikanina no anton-dian’ny filoha Tiorka raha ny hevitry ny AKFM satria na tamin’ny andron’i Hitler, nisian’ny ady lehibe faharoa aza dia efa nisy fotoana saika hamindrana ireo jiosy taty Madagasikara saingy tsy tanteraka izany, hoy hatrany i Eric Rakotomanga. Mila fahamailoana sy fanadihadiana fatratra ihany anefa izao zava-misy izao satria raha ny angom-baovao natao dia maherin’ny 500 isan-kerinandro ireo arabo taterin’ny kaompaniam-pitaterana Turquish Airlines mankaty Madagasikara. Anton’izany ny fisian’ilay fifanarahana nataon’ny mpitondra Malagasy tamin’izy ireo tamin’ny alalan’ilay fanalalahana sy fanabanahana ny habakabaka, izay antsoina amin’ny teny fahiny hoe “Open Sky”. Hifanotofan’ny sinoa, karana, frantsay, Arabo i Madagasikara ary ahiana ny hanjakan’ny korontana sy asa fampihorohoroana isan-karazany atsy ho atsy.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.