Politique

Misavorovoro ny Radio Soatalily Nahemotra hatramin地y RNM Show


  • Alakamisy 01 Desambra 2011

Nisy fiantraikany tany amin地y fandaharam-potoana hankalazana ny faha-80 taonan地y Radio nasionaly Malagasy (RNM) any amin地y Faritra na ny 迭nm Show� ny olana anaty, miteraka savorovoro eo amin地y samy mpiasa ao amin地y Radio Soatalily Toliara.

 Ny 03 sy 04 desambra izao no voatondro hanaovana ny “Rnm Show”, ka hiaingan’ny fandaharan’ny Rnm mivantana avy any Toliara, faritra Atsimo Andrefana, dia voatery nahemotra ho amin’ny 9 sy 10 desambra indray izany. Lasa lavitra mantsy ny raharaha ankehitriny taorian’ny fikasihan-tanana nataon’ny lehibeny ny mpanao gazety vavy iray ao amin’ny Radio Soatalily, ny 21 novambra teo. Fianakaviana mpitsara ilay niharan’ny herisetra, ka tsy manaiky lembenana. Malaza ho manana olona ambony any amin’ny ministera any anefa ilay nikasi-tanana ary mbola mandrahona handroaka ilay vehivavy ihany koa. Miteraka savorovoro ao an-toeram-piasana ity toe-draharaha ity.
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin窶冓ty sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT