Politique

Misavorovoro i Tolagnaro Grevy be no nisantarana ny taona


  • Alakamisy 05 Janoary 2012

Filaharam-be namakivaky ny tanàna no nataon’ny vahoaka tao Tolagnaro, omaly alarobia 4 janoary maraina. Niainga teny amin’ny Les Chasseurs ka nipaka hatrao Bazaribe.

 Ny Fagnomba no nitarika ny hetsika. Ny anton’izany dia fanoheran’izy ireo ny fametahana baorina tsy ankiera sy ny fanitsakitsahana ny kibory na fasan-drazana nitranga tao amin’ny Kaominina Ampasy Nahampoana sy Mandromodromotra nataon’ireo tomponandraikitra any an-toerana. Toe-javatra izay nahatezitra ny Fokonolona tamin’ireo Kaominina ireo. Saropady amin’ny mponina any Anôsy rahateo ny kibory na fasana. Ny lehiben’ny Faritra no tondroin’izy ireo ho tomponandraikitra mivantana amin’izany ary tsy afa-bela koa ireo sampandraharaha voakasiky ny fametahana baorina. Vao maraina omaly dia efa nihodinkodina ny tanàna tao Tolagnaro ireo mpitandro ny filaminana mirongo fiadiana sy etona mandatsa-dranomaso, avy eo dia niatrana ambava-basy teo anoloan’ny biraon’ny Faritra. Ireo mpilahatra tetsy andanin’izay nihorakoraka niaraka tamin’ny sorabaventy mitaky ny fialan’ny lehiben’ny Faritra ary koa ny famindran-toerana tsy misy hatak’andro ireo tomponandraikitra rehetra voakasik’ity raharaha tany ity.

Nisy ny fifampidinihan’ireo mpitokona ankilany ary ireo mpitandro ny filaminana andaniny. Raikitra fa solontena enina avy amin’ny mpitokona no hihaona amin’ireo mpitondra ao amin’ny Faritra, notarihin’ingahy Randriantefiarison Guillaume Venance, lehiben’ny Faritra Anôsy, rehefa natao ny marimaritra iraisana. Tsy ankitsitsy ny resaka. Avy hatrany dia ny zavatra takian’ireo mpitokona no nisantarana ny fihaonana. Nanazava izay heviny ihany koa ingahy lehiben’ny Faritra. Niatriaka ity fotoana ity ny CT avy amin’ny TGV, Rasolo Adolphe, izay nilaza fa hojerena akaiky ny fangatahana’ireto vahoaka. Fanehoan-kevitra miendrika fiandaniana any amin’ny lehiben’ny Faritra, araka ny fahitan’ny andaniny Fagnomba azy. Hatry ny omaly hariva dia tsy mbola nisy zavatra niravona. Tsy hanaiky mora ny hanalana azy ny lehiben’ny Faritra, ireo mpitokona anefa milaza ny tsy hampiato ny hetsika ataony raha tsy tanteraka ny fitakiany. Mihenjan-droa, araka izany, ny tady.

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT