Politique

Misavoritaka


  • Zoma 05 Aprily 2013

Andro lehibe ho an’ny TGV ny anio sy ny rahampitso satria tsy maintsy hifanaraka amin’izay anarana kandida atolotra hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny kongresy eny Andranomena.

 Inoana fa efa misy anarana any fa mbola atao « surprise » fotsiny. Tsy vao tamin’ity herinandro ity mantsy i Hajo Andrianainarivelo no efa nisintaka tamin’ny fifampifehezan’ny antoko fa efa hatry ny ela. Raha ny tokony ho izy izany dia efa hatry ny ela ihany koa no nanana ny anarana kandidany ny TGV fa tsy hoe nikorapaka taorian’ny fanambarana teny Ankadinandriana ka izao vao miady hevitra be tsy akory. Mifantoka any amin’ity antokon’ny filohan’ny tetezamita ity ankehitriny ny sain’ny rehetra. Inona no paikady ? Iza no kandida ? Inona marina no nahatonga ilay safidy ? Mandeha indray ny resaka omaly fa mety ho olona tsy noeritreretina mihitsy no ho kandidan’ny TGV, hono, satria toa samy tsy mahafeno ny fepetra ihany rehefa tena nodinihana ireo “favori” hatramin’izay.

Tsorina ny resaka fa tahaka ny sosoa voatapo-drano ireo mpikatroka TGV vantany vao nahare fa tsy ho kandida i Andry Rajoelina. Nisy ny piakady tsotsotra natao mba hamadihana ny rasa saingy tsy tafita ny tolona satria ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy no tsy mankasitraka ny haha kandida ny filohan’ny tetezamita. Vao miha nampisavoritaka ny antoko ilay filatsahan-kofidian’ny praiminisitra lefitra, ary omaly dia tena totoafo ny fanakianana azy nataon’ireo mpomba an’i Andry Rajoelina tamin’ireo onjampeo tsy miankina eto an-drenivohitra. Mibaribary be fa namela fery sy takaitra ho an’ny TGV ny fivadihan’i Hajo Andrianainarivelo ka efa nosalorana ny solon’anarana Hajo Jodasy izy, nanomboka omaly. Tafaraka teny amin’ny fitsarana an-tampony teny Anosy, omaly nandritra ny fianianan’ireo mpiambina ao amin’ny CES,  ingahy praiminisitra lefitra sy ny filohan’ny tetezamita, ary tsikaritry ny rehetra fa tsy tahaka ny teo aloha intsony fa tena nangatsiaka ny fifandraisana. Raha tsorina ny resaka dia miha malemy ny antoko TGV noho ny fivakisana sy fisamatsamahana, nivily lalana tanteraka ny fanovàna nokasaina natao teto. Tsy maharesy lahatra ny olona ity antoko ity satria tena manjavozavo tanteraka ny fandaharanasany, ary na ny lohandohan’ny mpisorona ao anatiny aza tsy mahay mifanaraka, ka ahoana moa no hahatokisana azy hitantana firenena ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT