Nodimandry omaly talata 13 martsa tamin’ny iray ora maraina teny amin’ny Espace Médical Mpitsabo Mikambana Ampasanimalo i Nirhy Lanto Andriamahazo.
Efa minisitry ny rano nandritra ny fitondrana tetezamita izy ary mpanolotsaina an'i Andry Rajoelina fony ity farany ben'ny tanànan'Antananarivo. Anisan’ireo olobe nianteheran’i Andry Rajoelina ny tenany, raha vao nanomboka niditra tamin’ny tontolo politika ity farany. Tao anatin’ny antoko AVI i Nirhy Lanto Andriamahazo no niova loko niara-dia tamin’i Andry Rajoelina niainga tamin’ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo, nizotra nankany amin’ny fanonganam-panjakana ny 2009, hatramin’ny fiafaran’ny tetezamita ny taona 2013. Nirotsaka hofidiana solombavambahoaka teny Antananarivo Atsimondrano tamin’ny alalan’ny lokon’ny MAPAR izy ny taona 2013, saingy tsy lany. Tsy dia re feo intsony taorian’izay fa somary nangina. Nandeha nandalim-pahaizana tany Frantsa, ka anisan’ny nianarany tamin’izany ny tontolon’ny Siansa ara-politika sy ny fifandraisana Iraisam-pirenena na ny “Sciences politiques et Rélations Internationales”. Manampahaizana momba ny hainteny sy haisoratra Malagasy ihany koa i Nirhy Lanto Andriamahazo, ka efa nampianatra izany teny amin’ny anjerimanontolon’Antananarivo tao amin’ny Sampana Malagasy taorian’ny tetezamita. Ankoatra izay, mpanakanto ihany koa izy satria sady mihira no havanana amin’ny fitendrena gitara. Nanao hosodoko ihany koa ity minisitra tamin’ny tetezamita ity. Ny Gazety Tia Tanindrazana dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’i Nirhy Lanto Andriamahazo manontolo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.