Lavo ny andrarezina ! Nodimandry teo amin’ny faha-90 taonany omaly 13 oktobra antoandro tany amin’ny hopitalin’i Saint Pierre any amin’ny Nosy La Réunion ny filoham-pirenena teo aloha Pr Zafy Albert.
Ny alarobia 11 oktobra teo izy no narary tampoka vokatry ny fahatapahan’ny lalan-dra tao amin’ny loha na AVC (Accident Vasculaire Cérébral) ka naiditra tao amin’ny Hopitaly Befelatanana ary nafindra tao amin’ny Polytechnique Ilafy avy eo. Nentina tany amin’ny Nosy La Réunion kosa ny tenany ny takarivan’ny alakamisy 12 oktobra, saingy tsy tana intsony ny ain’ity Raiamandrenin’ny Malagasy ity. Teraka ny 1 mey 1927 tany Betsiaka Ambilobe ny Pr Zafy Albert. Ampahany amin’ny tantarany ny nanovozony fianarana tany amin’ny oniversiten’i Montpelier sy Parisy. Profesora mpandidy ny tenany ary manana ny diploma “Licence en Mathématique et en Physique”. Teo amin'ny lafiny politika, dia voatendry ho minisitry ny fahasalamana sy ny raharaha sosialy tamin’ny governemantan-dRamanantsoa ny taona 1972-1975. Niverina nanohy fianarana tany Frantsa ny taona 1975, rehefa tsy nitovy fijery tamin’ny politika sosialista nampiharin’ny Amiraly Didier Ratsiraka. Nanangana ny antoko UNDD (Union nationale pour la démocratie et le développement) ny tenany ny taona 1989, ary anisan’ny herin’ny Herivelona Rasalama nandritra ny tolona 1991. Nafana ny raharaham-pirenena tamin’izany ary nahery vaika ny fanoherana nahazo ny filoha Didier Ratsiraka, ary voarakitra ao anatin’ny tantaram-pirenena ny raharaha 10 aogositra 1991, diabe saika hiakarana teny amin’ny Lapan’i Iavoloha, saingy nisy fitifirana tamin’ny alalan’ny angidim-by. Novoizina ny hoe: “Ento miakatra ity firenena ity , horavàna ny mandan’i Jericho”. Nirotsaka hofidiana filoham-pirenena ny Pr taorian’ny raharaha 1991, ka izy no voafidy ho filoham-pirenena voalohany tamin’ny Repoblika I, ary nitondra an’i Madagasikara ny 1993-1996. Tratry ny “empêchement” ny tenany ny septambra 1996, saingy tsy mba nikorontana, ary nanangana ny CRN (Comité de Réconciliation Nationale) ny 1998, izay nivoy ny fampihavanam-pirenena hatrany. Teo foana tamin’ny fitadiavam-bahaolana tamin’ny krizy nandalo teto amin’ny firenena. Anisan’ny nanohitra an’i Marc Ravalomanana ny tenany tamin’ny fotoan’androny, saingy taty aoriana dia lasa mpinamana tsy nifankafoy. Ho tonga an-tanindrazana anio ary hivantana eny amin'ny villa La Franchise Ivandry, ary hoentina eny amin'ny Palais des sports Mahamasina amin'ny alahady ny vatana mangatsiakan’ny filoha Zafy Albert. Fisaonam-pirenena manomboka anio hatramin’ny fandevenana azy. Horaisin’ny fanjakana an-tanana ny lany rehetra amin’ny fikarakarana ny razana. Hisy ny fanomezam-boninahitra azy ao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina manomboka rahampitso, ary hosalorana ny mariboninahi-pirenena ny tenany. Ny Gazety Tia Tanindrazana dia miombon’alahelo sy mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana manontolo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.