Taorian’ny ambasadaoro Malagasy voatendry hiasa any Addis Abeba, Etiopia, Alain Tehindrazanarivelo, dia voatendry omaly ny Ambasadaoro Malagasy hiasa any Japon, Mireille Rakotomalala.
Efa minisitry ny kolontsaina tamin’ny tetezamita teo izy. Ny nampiavaka azy dia izy havanana amin’ny fitendrena piano. Efa solombavambahoakan’i Madagasikara koa ny tenany ny taona 1995. Hatreto izany aloha dia ireo roa ireo no ambasadaoro voatendry tao anatin’ity fitondrana ity. Mety hihazakazaka ve ny fanendrena amin’io taona ho avy io ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.