Politique

Mipatitaka ny AREMA Nilazaon’ny olony i Didier Ratsiraka


  • Zoma 18 Martsa 2016

Mipatitaka tsikelikely ny antoko Arema. Kamarady maromaro no nametra-pialana faobe tsy ho mpikatroka ao amin’ny antoko

 

 Arema intsony tamin’ny 27 febroary 2016. Nanangana antoko vaovao izy ireo dia ny ARRMA (Alliance pour la Refondation et la Renaissance de Madagascar). Voarakitra ao amin’ny rejisitry ny antoko politika ny ARRMA, ny 14 Martsa 2016 no nahazo ny tapakila avy amin’ny Minisiteran’ny Atitany ny taratasy fijoroana ara-dalàna ho antoko. Saika ireo olona tao anatin’ny “Comité Directeur” sy “Collège National” Arema avokoa no mandrafitra ny biraon’ny ARRMA. Efa niala nenina izy ireo nifampiresaka tamin’ny amiraly Didier Ratsiraka, izay filoha mpanangana ny Arema saingy tsy nahitana valiny mahafa-po ny dinika ka dia nanapa-kevitra izy ireo fa hanangana an’ity ARRMA ity.

Ny Loholona teo aloha Vaovao Benjamin no Filoha nasionaly vonjimaika mandrapisian’ny kongresy hananganana ny rafitry ny antoko. Misy Filoha lefitra iray isaky ny Faritany, ka ifandimbiasana ny fitantanana, mandritra ny enim-bolana. Filoha lefitra ho an’ny Faritanin’Antananarivo, Razanakoto Norbert. Nanambra ireo mpitantana ireto, fa mahaleotena ny antoko, tsy miankina na amin’iza na iza ary tsy baikon’iza na iza.

Niala tao amin’ny Arema ny mpanorina ny DHD Madagasikara Harinaivo Rasamoelina, MDM Pierrot Rajaonarivelo, Arema Matotra Pierre Raharijaona… dia izao mijoro indray ny ARRMA. Dia ho sanatria ve ka ho resa-pianakaviana sisa no hiafaran’ny Arema, izay antoko natanjaka teto amin’ny firenena tany amin’ny taona 80 !

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT