Politique

Miongotra ireo mpitondra be vinany aty Afrika Ho avy ny an-dRajao raha tsy manaja tena


  • Sabotsy 17 Febroary 2018

Mitsoka ny rivo-panovana aty Afrika, ka miongotra tsikelikely amin’ny toerany ny mpitondra be vinany sy manaotao foana. Porofo mivaingana ny nahazo an’i Robert Mugabe filohan’i Zimbabwe teo aloha, izay voatery niala teo amin’ny fahefana ny 21 novambra 2017.

Niaraha-nahita ihany koa ny nanjo ny filoha Afrikanina Tatsimo Jakob Zuma tatsy Afrika Atsimo malaza amin’ny resaka kolikoly, ka voatery nandao ny sezany ny 14 febroary teo rehefa nitondra 9 taona. Tsy niandry ny latsa-baton’ny parlemantera momba ny fanalana azy intsony. Manomboka miova fomba fijery ny Afrikanina manoloana ny hadalan’ny mpitondra azy, ka na ny antoko eo amin’ny fitondrana aza efa sahy mametraka fa rehefa tsy mety dia tsy mety, raha dinihina amin’iny nataon’ny Antoko ANC tao Afrika Atsimo iny. Tsy dia nisy firy intsony ny fampiasana basy aman-tafondro, ary mipetraka ho arofanina ny tafika raha jerena tamin’ireo fanalana filoha roa ireo. Mba aiza ho aiza amin’izany ny eto amintsika ? Mananontanona ny an’ny filohantsika. Hahavita hanaja tena sy hiala am-pilaminana ve i Hery Rajaonarimampianina sa hanohy ny tetika malotony hifikirana amin’ny fahefana ? Mafy sy mahery i Robert Mugabe, nitondra nandritra ny 30 taona ary efa nametraka vatofantsika hifikirana teo amin’ny fahefana mandra-pahafatiny fa voaongotra ihany. Anisan’ny fositra nandavo an’i Mugabe ny fitsabatsabahan’ny vadiny tamin’ny fitantanana ny firenena. Ny rehetra no afaka mamaly eto amintsika ny lazan’izany Voahangy Rajaonarimampianina izany amin’ny fitsabahana amin’ny fitantanana an’i Madagasikara. 4 taona kosa izay no nitondran-dRajaonarimampianina, saingy leo sy tofoka ny vahoaka. Hanohy ny bodongerona hiteraka gidragidra, kanefa hiongana ihany avy eo sa tonga dia hanaja tena ?


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT