Tsy hionona fotsiny amin’ny fomba fiteny eo amin’ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy ny ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana fa hanatanteraka izany mba hifanaraka amin’ny zava-misy iainan’ny mponina eny ifotony.
Resy lahatra mantsy ny minisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier fa fanoitra iray hialàna amin’ny fahantrana ny fanomezana andraikitra ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny miaraka amin’ny vahoaka. Mifanindran-dàlana ny fandrafetana ny politikam-pirenena momba ny fanapariaham-pahefana sy ny fampandrosoana ifotony ka ilaina ny fanangonana ireo hevitra miainga eny ifotony, hoy ny minisitra. Hanatsara ny fomba fiasa, hanavao ireo didy aman-dalàna efa nilaozan’ny toetr’andro, handray ireo soso-kevitra avy amin’ireo hery velona rehetra. Ireo no anisan’ny fitaovana entin’ny ministera ho fandraisana anjara amin’ny fanovana goavana eny ifotony sy ho fampandrosoana ny firenena. Hivoaka tsy ho ela rahateo ny fandaharanasan’ny ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana. Nisongadina ireo nandritra ny fihaonana teo amin’ny minisitra sy ny talen’ny Banky iraisam-pirenena misahana an’i Madagasikara omaly teny Anosy. Efa miroso amin’ny tomban’ezaka mikasika ilay programa nasionaly momba ny fanapariaham-pahefana na PND2 hifarana amin’ny 2015 ny roa tonta ankehitriny. Kaominina miisa 123 moa no nahazo tombontsoa tamin’izy io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.