Politique

Ministeran’ny fitsarana Tsara toerana ny kandidan’ny Ankolafy Ravalomanana


  • Alarobia 16 Novambra 2011

Ifandroritan’ny ankolafy Rajoelina sy Ravalomanana ny toeran’ny minisitry ny fitsarana, ary mety ho sarotra mihitsy ny fanapahana ho an’ny praiminisitra.

 Araka ny resaka mandeha mantsy, na tsy nisy nanolotra teny Mahazoarivo aza ny anaran-dRtoa Christine Razanamahasoa dia ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina mihitsy no mieritreritra ny hanendry mivantana azy, noho ny zo manokana ananany amin’ny maha filoham-panjakana azy. Ny ankolafy Ravalomanana ihany koa dia nanolotra an’Atoa Randrianarivelo Desiré, mpitsara no sady efa filoha nitantana ny SMM. Mazava ny safidy eto satria tanjona ho an’ny ankolafin’ity filoha teo aloha ity ny famoahana ireo gadra politika rehetra sy ny fanafoanana tsotra izao ny raharaham-pitsarana momba an’Atoa Ravalomanana sy ireo miara-miasa akaiky taminy. Anisan’ireo ministeran’ny fiandrianam-pirenena ny fitsarana ary tena saropady ny fitantanana azy. Departemanta anisan’ny voakiana mafy indrindra nandritra izao fitondrana tetezamita izao ny ministeran’ny fitsarana noho ireo didy sy fanapahan-kevitra hafahafa navoakan’ny fitsarana, mamofompofona politika. Tsy teto an-toerana ihany fa hatrany ivelany ny fanakianana ny fitsarana ary tsy afa-miala fa tomponandraikitra voalohany amin’izany ny minisitra izay niara-nitolona tamin’i Andry Rajoelina teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ary tsy misalasala mihitsy mampiseho fa manohana ny filohan’ny FAT izy.

Raha ny tsiliantsofina re dia tsy manaiky intsony ny mbola hamerenana amin’ny toerany ity minisitry ny fitsarana ity ny sehatra iraisam-pirenena sy ireo mpamatsy vola, izay mitaky ny hametrahana fanjakana tan-dalàna sy ny fanajana ny zon’olombelona ary fitsarana mijoro ho mpiaro ny rehetra fa tsy mitanila. Etsy ankilan’izay ny sendikan’ny mpitsara (SMM) tamin’ny alalan’ny filohany, Marius Auguste Arnaud, dia vao nampatsiahy fa olona mahay miresaka amin’ny fianakaviamben’ny mpitsara no tokony hotendrena minisitry ny fitsarana. Raha tsy izany dia tsy hanaiky ny fanendrena azy io mihitsy ny SMM. Azo adika tsotsotra io fanambarana io fa tsy nahay niresaka sy niandry ary nifanakalo hevitra tamin’ny mpitsara Rtoa Christine Razanamahasoa. Raha izay rehetra izay no dinihana dia tsara toerana ny kandidan’ny ankolafy Ravalomanana izay tsy vahiny amin’ny sendikan’ny mpitsara ary anisan’ireo mpitsara manana ny maha izy azy. Tsy misy mahalala izay havoaky ny ampitso anefa. Efa niaraha-nahita hatramin’izay ihany fa matetika mandray fanapahan-kevitra mifanipaka amin’ny lojika ny filohan’ny FAT.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT