Politique

Ministeran'ny fitaterana Mamono afo sisa


  • Talata 07 Febroary 2012

Manoloana ny fanakianana etsy sy eroa mahazo ny ministeran'ny fitaterana taorian'ny nandefasan'izy ireo taratasy nankany amin'ny kaompaniam-pitaterana Airlink dia nitondra fanazavana manjavozavo ireo teknisianina teo anivon'ity ministera ity.

 Nolazain'izy ireo tamin'izany fa fanapahan-kevitra ara-teknika no noraisina mba hisorohana ny loza sy fahasimbana mety hiseho toy ny tamin'ny 21 jona lasa teo. Tsy nisy ambadika politika mihitsy iny resaka iny, ary tsy nandray ohatra ilay sori-dalana izy ireo fa ny ara-teknika no nojerena. Be loatra mantsy ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao ho ao teto amintsika, araka izany dia tsy nisy antony tokony nampahafantarana ny praiminisitra na iza na iza tamin'io fotoana io ary tsy misy tokony hampandrenesana azy loatra izany koa, hoy ihany ireto teknisianina ireto. Tsy tokony hisy vahoaka sy hamoriana olo-marobe mantsy ny seranam-piaramanidina raha ny nambaran'izy ireo. Koa na iza na iza manomboka izao olona miverina eto an-tanindrazana ka miantso vahoaka hitsena azy dia hahazo toy io hatrany ny kaompania izay mitondra azy. Nolazain'izy ireo ihany koa mantsy fa tsy fanakanana velively iny taratasy iny fa fampahafantarana fotsiny ihany, ary dia ny Airlink izany no nandray fepetra tsy nitondra ny vadin'ny filoha Marc Ravalomanana tamin'io sabotsy io.

Raha nanontaniana moa izy ireo mikasika ny tsy nampandrenesana izany mialoha dia tsy nazava ny valim-panontaniana ary nambara aza fa mifantoka loatra amin'ny sori-dalana ny mpanao gazety ankehitriny ka tsy mijery intsony ny lafiny teknika...
Ireto teknisianina ireto izany no nandray io fepetra io, mba hisorohana ny voka-dratsy mety hiseho, hono... Ka na ny filoha teo aloha Ratsiraka Didier aza no miverina eto indray ka miantso mpitsena dia tsy handefitra ireto teknisianina, manampahaizana, milaza tsy manao politika, eo anivon'ny minisiteran'ny fitaterana ireto.
Amin'ny vahoaka kosa anefa dia na inona na inona fialana bala sy fanazavana manjavozavo atolotra ny vahoaka dia any amin'ny tsy fahazakan'ny FAT sy ny mpiara-dia aminy ny fahitana ny olona mbola aorian'ny filoha Marc Ravalomanana ihany ny sain'ny maro, ary tsy misy afa-tsy izay. Fanakanana ihany no filazana ireny, hoy ny vahoaka na inona ambara na inona lazaina.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT