Politique

Ministeran’ny fanabeazam-pirenena Ho henjana ny fanaraha-maso ny fitantanam-bola


  • Zoma 25 Novambra 2011

Fito volana no nitantanan’i Jean Jacques Rabenirina ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena dia nosoloina an’i Manoro Régis ny tenany noho ny fitsanganan’ny governemantan’ny firaisam-pirenena.

 Tontosa omaly ny famindram-pahefana teo amin’ny roa tonta. Laharampahamehana ho an’ny minisitra vaovao ny fampiakarana ny tahan’ny fidirana an-tsekoly ny zaza Malagasy izay midina ambany dia ambany tokoa ankehitriny. Eo koa ny fikaroham-bahaolana momba ny mpampianatra FRAM ary ny fanadiovana ny fitantanana eo anivon’ny ministera sy ireo ratsamangaika isan-tsokajiny, indrindra ny lafiny ara-bola. Hanatontosa izay andraikitra izay indrindra no antony niantsoany “Inspecteur d’Etat”, ho Sekretera jeneraly. “Mbola hisy ny fifampidinihana miaraka amin’ireo teknisianina ka raha mahita izy ireo fa ilaina ny manao ‘audit’ dia atao izany”, hoy i Manoro Régis. Na dia hisy aza anefa izay fanaraha-maso akaiky ny resa-bola izay dia tanterahana ao anatin’ny lalàna sy ny fifanajana izany araka ny nampanantenain’ny minisitra vaovao. Eo amin’ny lafiny ara-politika dia milaza ho mbola mpikambana ao amin’ny ankolafy Zafy ny tenany satria foto-kevitra no antony nidirany tao. Niaiky koa anefa i Manoro Régis fa misy ny tsy fitovian-kevitra ao amin’io ankolafy io saingy manantena ny tenany fa hiova hevitra ihany ny profesora Zafy.
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT