Herinandro monja taorian’ny nanendrena azy ho anisan’ireo minisitra mandrafitra ny governemanta Solonandrasana Mahafaly Olivier
, dia resahina be sahady izao fa mitsingilahila ny toeran’ny minisitry ny fitantanam-bola sy ny tetibola Rakotoarimanana François Marie Maurice Gervais, fa tsy azoazon’ireo solombavambahoaka.
Minisitra miisa 19 anisan”ny tafajanona ao anaty governemanta ny minisitry ny vola, Rakotoarimanana François Marie Maurice Gervais. Mandeha anefa ny resaka ankehitriny fa tsy azoazon’ireo solombavambahoaka ity teknisianina ity, noho izy hentitra loatra, sarotra ifampiraharahana amin’ny famoaham-bola. Nisy efa nivavaka mafy ny hialany tao anaty governemanta ihany koa ireo mpiara-miasa aminy, saingy kepoka raha naheno ny anarany voatonona tamin’ny 15 aprily 2016 fotoana nanambarana ny fijoroan’ny governemanta Solonandrasana Mahafaly Olivier, ary mbola nanankinana ny minisiteran’ny fitantanam-bola sy ny tetibola efa notazominy. Loharanom-baovao hafa indray anefa milaza fa misy famatsiam-bola maromaro azon’i Madagasikara hatramin’ny nitantanan’i Rakotoarimanana François Marie Maurice Gervais io ministeran’ny vola io, ka tazotazomina eo aloha izy hidiran’ny vola, fa hosoloina ihany ary toa efa vonombonona any ny solony, izay olona efa minisitry ny fitantanam-bola sy ny tetibola taloha tao ihany raha ny loharanom-baovao hatrany. Vao avy namita iraka tany ivelany tany ny minisitra Rakotoarimanana François Marie Maurice Gervais, raha tsy teto izy tamin’ny fotoana nanambarana ny fijoroan’ny governemanta Mahafaly Olivier.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.