Politique

Minisitry ny serasera Mihozongozona ny sezany ?


  • Talata 22 Novambra 2016

Toy ireo namany teo aloha izay samy nitana toerana teo anivon’ny minisiteran’ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana dia mandeha ankehitriny ny resaka fa efa ambivitra ihany koa ny fialan’ny minisitry ny serasera amin’izao fotoana izao, Andrianjato Vonison, eo amin’ny toerany.

 Ahiana fatratra aza ny hidobohany eny ambaniatsinanana  toy ilay talen’ny kabinetrany teo aloha, Nivo Ratiarison. Mpinamana akaiky izy mirahalahy ary dia efa mandeha amin’izao fotoana ny fanadihadiana hisavasavana ny raviny mikasika ny mety ho firaisana tsikombakomban’izy mirahalahy. Anisan’ny teboka miiba mety hanesorana azy eo amin’ny toerany koa ny nanakanany ny fanatontosana fomban-drazana tany Androy ka niteraka savorovorom-piarahamonina, iray volana lasa izay.

Haverina ireo olon’ny tetezamita

Ankoatra ny talen’ny TVM sy ny talen’ny ORTM ankehitriny izay samy mpiara-miasa akaiky tamin’ny minisitry ny serasera tamin’ny tetezamita farany teo, Harry Laurent Rahajason, dia tombanan’ny mpanara-baovao koa ny mety hiverenany indray eo amin’ny toerany. Anisan’ny rafi-panjakana iray vinavinaina ho be fanovana indrindra, araka izany, ity minisitera ity aorian’ny frankofonia.

Faralahimatoa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT