Politique

Minisitry ny polisy Vonona ny hiala …


  • Zoma 23 Desambra 2011

Na teo aza ny fahavononan'ny minisitry ny filaminana anatiny omaly dia tsy nety nanala kosa ny filohan'ny FAT.

 Nilaza ny Controleur général Rakotondrazaka Arsène omaly teo anoloan'ny mpanao gazety fa vonona ny hiala izy raha toa ka manala azy ny filohan'ny FAT izay nametraka azy teo. Tsy niandry ela fa ora vitsy taorian'izay dia namaly ny filohan'ny FAT fa tsy hamaha olana ny fanalana minisitra amin'izao olana eo amin'ny mpitsara sy ny polisy izao. Mazava araka izany fa tsy hilefitra mihitsy ny filohan'ny FAT manoloana ny fitakian'ny sendikan'ny mpitsara sy ireo mpanohana azy. Raha ny lojika dia hitohy ity olana ity ary tsy hivaha haingana mihitsy. Samy mitana ny heviny mantsy ny mpitaky na ny olona tokony handray andraikitra. Mazava izany izao fa na teo aza ny fandefasana tolo-kevitra tamin'ny filohan'ny FAT nataon'ny praiminisitra ny amin'ny tokony hanalana ireo minisitra roa dia ny Fitsarana sy ny Filaminana anatiny mba hamahana ny olana haingana dia tsy nanaiky izany ny filohan'ny FAT. Any aminy izany ny baolina nanomboka omaly.

Nanamafy aza moa Rajoelina teny Anosiala Ambohidratrimo omaly fa izy no filohan’ny tetezamita. Fa nialoha io dia nolazainy fa izy no filohan’ny governemanta. Asa na teny tsinahy na niniana notenenina hanindriana bokotra ny praiminisitra, hanamafisany ny filazany fa tsy baikon’iza n’iza izy amin’ny fanapahan-kevitra horaisina. Na izany aza, nampanantena ny tompon'andraikitry polisy fa tokony hatolotra ny fitsarana mialoha ny fety ireo polisy rehetra voarohirohy tamin'ity famonoana ny mpitsara Rehavana Michel tany Toliara ny 9 desambra ity. 12 no isan'izy ireo raha kely indrindra. Ny 11 dia omaly no tonga teto an-drenivohitra rehefa voalaza fa nosamborina tany Toliara. Ny faha-12 mbola mitsabo tena. Ny minisitra mihitsy no nitarika ny delegasiona naka ireto polisy ireto tany an-toerana.

Titan

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT