Politique

Minisitry ny polisy Nametra-pialana ?


  • Alatsinainy 26 Desambra 2011

Tsy mbola nisy ny fanazavana ofisialy momba izany ary nilaza ho tsy nahafantatra koa ireo izay nanontaniana.

 Na izany aza anefa dia fantatra tamin’ny loharanom-baovao akaiky an’i Mahazoarivo fa (mety) nisy ny fametraham-pialana nataon’ny minisitry ny filaminana anatiny, ny Controleur général de la Police Rakotondrazaka Arsène tamin’ny zoma lasa teo. Ny antony dia noho ny tsy faneken’ny olona tarihiny azy intsony. Io fametraham-pialana io indray dia niniana nafenina satria mazava ho azy fa ao ambadikany i Mahazoarivo. Voamarina ny hoe tsy manaiky azy intsony ny olony rehefa niseho ny hetsika izay nasehon’ny polisy ny sabotsy lasa teo (jereo lahatsoratra etsy ankila). Ny mahatalanjona dia ny hoe maninona ny afenina, raha tena ho izany tokoa, ny fametraham-pialana toa izao ? Sa kosa ve misy ny fifaninanana amin’Ambohitsorohitra izay andrasana ihany koa ny fanetren-tenany hanala ny minisitry ny fitsarana. Amin’izay mantsy dia ho iray sy iray ny baolina ! Asa aloha fa raha ny fandehan-javatra ankehitriny dia hita fa tsy voavaha intsony ny olana ary efa miakatra lenta hafa mihitsy ny famahana azy. Tsy nanampy ny FAT i Dadabe Noely tamin’ity indray mitoraka ity !
Gaby

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT