Niroso tamin`ny famindram-pahefana teo amin`ny minisitra teo aloha sy vaovao izay handrafitra ny governemanta vaovao ny teo anivon`ny fitsarana.
Ny famerenana ny hasin`ny fitsarana araka ny toromariky ny filohan` ny Repoblika no tsy maintsy himasoana, hoy i Johnny Richard Randriamahefarivo, minisitry ny fitsarana vaovao. Anisan`ireo sampandraharaham-panjakana nanjakan`ny kolikoly teto Madagasikara ny Fitsarana. Tsy nipetraka intsony ny fifampitosikana teo amin`ny vahoaka sy ny fitsarana ka niteraka tsy fandriampahalemana maro samihafa toy ny fitsaram-bahoaka teto Madagasikara. Hentitra ny minisitra vaovao raha niresaka tamin`ireo mpitsara nandritra ny fifamindram-pahefana fa tsy natao fireharehana ny raharaham-pitsarana. Nanamafy izy amin`ny fifandraisana eo amin`ny mpila raharaha eo anivon`ny fitsarana sy eo anivon`ny tompon’andraikitra noho ny vahaolana ahafahana mamerina indray ny fahatokisan`ny vahoaka ity sampandraharam-panjakana ity. Nanambara ny minisitra teo aloha, Jacques Randrianasolo fa sarobidy ny fahaleovantenan`ny mpitsara. Nandritra ny lahateniny ihany koa no nanaovany ny tatitra tamin`ny zava-bitany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.