Politique

Minisitry ny fitsarana “Azo samborina tsara Ravalomanana”


  • Alarobia 10 Janoary 2018

Nikoropaka ny fanjakana, izay tsy niandry ela ka namoaka fanambarana tamin’ny alalan’ny minisitry ny fitsarana Rasolo Elise Alexandrine omaly momba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

  Mahagaga ahy ny nilazana fa tsy manan-kery ny didim-pitsarana eto Madagasikara. Raha ohatra notsaraina Atoa Marc Ravalomanana, araka ny fahafantarako azy, tsy nanatrika izy. Anjarany izany ny manao fanoherana mba hahafaha-mamerina ny fitsarana azy amin’izay, hoy io minisitra io. Aminay, manan-kery ny fitsarana eto Madagasikara sy ny didim-pitsarana navoakany. Izao izany no hataonay hoe hampafantarina azy ny didim-pitsarana nivoaka tamin’ny 2010, izay tsy natrehany dia manana fe-potoana izy hahafahany manao ny fanoherana azy. Mikasika ny rehetra izay efa nohelohina, dia nambarany fa raha ny tokony ho izy miverina tsy misy fepetra satria voafonja izy ireo ka izay no hanaovana antso avo. Raha dila izay antso avo izay, ka tsy miverina izy ireo dia ho avy izahay hampanambotra, hoy ny minisitra Rasolo Elise Alexandrine. Tsara homarihana fa fanamelohana hanao asa an-terivozona mandra-pahafaty no sazy nomen’ny fitsarana an’Atoa Marc Ravalomanana tamin’ny 2010 fony tetezamita, noho ny raharaha 7 febroary. Nifoha indray izany ny raharaha 2009 sy ny fitsarana mahakasika an’ity filoha teo aloha ity amin’izao 2018, taom-pifidianana izao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT