Ny sabotsy teo ihany dia namoaka fepetra hentitra noho ny lozam-pifamoivoizana avy amin’ny hadalan’ireo taksibe ny fitondram-panjakana.
Maro no nankasitraka ilay fanapahan-kevitra sy ny teny hentitra avy amin’ny filoham-pirenena. Tsy vitsy ihany koa no nahita fa tara loatra izany satria efa hatry ela ary hita isan’andro ny gaboraraka ataon’ny fiara fitateram-bahoaka eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Eo ohatra ny taingim-be, ny fijanonana afovoan’ny arabe satria miresaka ny mpamily roa mifanena, fanariana mpandeha eny antsasa-dalana dia hamoronana izao lainga rehetra izao, seza fipetrahana misy vy na fantsika mipoitra ka mandratra ny mpandeha, fifanenjehana sy fifampisongonana ao anaty fiolanana, mpamily mampiresaka vehivavy ao anaty fiara sy manadala izay vehivavy tazany ety ivelany, mbola hanampiana ireo ny loto sy fofona amina taksibe sasany, hita fa tena tsy nodiovina mihitsy mialohan’ny iasany. Tsy sanatria fampitahorana azy fa tena goavana ary mafy ny asa miandry ny minisitry ny fitaterana sy famantarana ny toetry ny andro Ramanantsoa Ramarcel Benjamina satria ilay toe-tsaina sy ny fomba fijery mihitsy no mila ovaina amin’ny mpamily sy resevera fa tsy hoe ailika any amin’ny fiara Sprinter foana ny fototry ny olana. Tsy fampiofanana roa na telo andro no hahavitana izany fa tena fampianarana maharitra. Azo heverina mihitsy aza ny hametrahana fiofanana miavaka any amin’ireo « Auto école » ho an’izay mpamily hitondra fiara fitateram-bahoaka. Mbola resaka hafa miandry ny minisitry ny fitaterana sy ireo mpiara-miasa aminy koa ny fandaminana sy fanaraha-maso ireo kaoperativa, izay hita fa maro no tsy manao ny asany araka ny tokony ho izy. Ireo tompona fiara koa dia mila fifehezana matotra fa tsy hoe vola miditra fotsiny no mahamaika. Aim-bahoaka no eo am-pelatanan’ny taksibe ka tsy misy indrafo araka ny tenin’ny filoham-pirenena ho an’ireo mpandika lalàna sy be mokon-doha. Farany dia miandry ny fiovana faran’izay haingana eny amin’ny fitsarana fiara hanaovana ny visite technique ny rehetra fa eny koa no tena miainga ny kolikoly mampidi-doza ny fitaterana eto.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.