Politique

Minisitry ny Atitany Nahavita “mission” indray


  • Alatsinainy 04 Febroary 2019

Nametraka ny dian-tanany sahady ny minisitry ny atitany, Tianarivelo Razafimandimby, taorian`ny nanendrena azy indray ho mpikambana ao anatin’ny governemanta Ntsay. Vita ny adidiny tamin`ny fampandaniana ireo volavolan-dalàna mahakasika ny fifidianana solombavambahoaka.

 

 

Tsy mahagaga raha voatazona tamin`ny governemanta Ntsay Christian ity minisitra ity. Tsy maina akory ny fery mikasika ny fifidianana tena nahabe resaka. Tao ny fizotran`ny fifidianana, fiatrehana fifidianana, famoahana voka-pifidianana… Tsaroana tsara tokoa ny lahatenin`ny filoha Marc Ravalomanana nandritra ilay adihevitra tamin`ny haino aman-jerim-panjakana, nilazany fa  tsy rariny loatra ny minisitry ny atitany maniraka ny mpiasa ao aminy mampivory ireo sefo distrika, dia mankany amin’ny sefo fokontany, dia manangona ny kara-pifidianana. Teo koa ny fanambaran’ny talen’ny Tranoprintim-pirenena fa raha 9.9 tapitrisa no tokony ho isan’ny kara-pifidianana dia 12 tapitrisa no natonta. Mbola mitoetra sy mahazo vahana ny ahiahy mahakasika ny tetiandrom-pifidianana naroson`ny CENI teo anivon`ny Antenimieram-pirenena. Toa fampandriana andrisa ilay datim-pifidianana mba ahafahana manome ny fahefana feno ho an`ny filoham-pirenena. Nilaza ihany koa ny minisitra fa hiroso amin`ny famoahana ny didim-panjakana rehetra ho fampiharana ny lalàna saingy tsy voafaritra. Hodinihina hatramin`ny pitsopitsony mantsy ireo fepetra apetraky ny lalàna raha tiana no mametraka tetiandrom-pifidianana, hoy ihany izy. Nanentana ny tsirairay ny tenany mba hisoratra anarana amin`ny lisi-pifidianana hofaranana vonjimaika ny 15 febroary izao. Ny 15 mey kosa no hifarana ny fanitsiana lisi-pifidianana kanefa ny 27 mey no andro voatondron`ny CENI. 12 andro ve ampy hanomanana fifidianana solombavambahoaka kanefa ny lisi-pifidianana no tena lesoka tamin`ny fifidianana filoham-pirenena ? Tsy mahagaga raha voatazona ho minisitra i Tianarivelo Razafimandimby satria izy ilay olona tena nampandresy nandritra ny fifidianana ary mbola mitohy hatramin`izao. Misafotofoto sahady ny toe-draharaha momba ny fifidianana.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT