Fokontany, distrika, kaominina miainga amin`ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana no hamaritana ny tena fampandrosoana marina tiana apetraka eto amin`ny firenena.
Hatramin`izay, zary sakana hatrany ny tsy fahaiza-manao asehon`ny mpitantana isan-tokony ka mampitaraina ny vahoaka entina. Ny zava-misy eto Madagasikara, dia saika ny lasitra eny anivon`ny fokontany mihitsy no hiaingan`ny sakana rehetra. Manamarina izany fa andry iankinan`ny fampandehanan-draharaha goavana ny eny anivon`ny fokontany. Ity farany no mandray andraikitra lehibe ohatra amin’ny fikarakarana mivantana ny fifidianana. Ny fahatsapana ireo sakana lehibe no nandraisan`ny fitondram-panjakana fanapahan-kevitra hanalana an`ireo fokontany hita fa tsy mahomby amin`ny asa izay iandraiketany. Tsy maintsy jerena manokana ny sakana tsy mitondra fampandrosoana eny amin`ireny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ireny, hoy i Tianarivelo Razafimahefa, minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana. Misy ireo sefom-pokontany efa am-polony taona no tao kanefa maro ny vahoaka eny ifotony no mitaraina fa tsy misy zava-bita. Isika anefa tsy maintsy miroso amin`ny fampandrosoana maharitra miainga eny fotony. Notsipihany manokana kosa fa tsy misy ambadika politika raha izany foana no nambaran` ny sasany. Raha hanao zavatra ve dia hisy ambadika politika foana? Ny vahoaka dia tsy afaka miandry satria tara ny fampandrosoana eto Madagasikara. 59 taona isika tao anaty fahaleovantena izany noho ny tsy fisian`ny fahasahiana fa miroso foana amin` ny fanilihana andraikitra, hoy hatrany ity ministra ity. Noho izany, hiziriziry amin`ny firosoana amin`ny fanapahan-kevitra ny fitondrana kanefa ny voalazan`ny didim-panjakana lah. 2009-999 tamin`ny 02 jolay 2009 dia fidiana ny filoham-pokontany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.