Politique

Minisitra Zanak’i Dada Hihaona manokana amin’ny PM Beriziky anio


  • Talata 21 Aogositra 2012

Hihazo ny Lapam-panjakana eny Mahazoarivo, anio maraina, ireo minisitra dimy mianadahy avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, dia ny praiminisitra lefitra misahana ny toekarena sy ny indostria Botozaza Pierrot, ny minisitry ny fanapariaham-pahefana Ruffine Tsiranana, ny minisitry ny fambolena Ravatomanga Roland, ny minisitry ny varotra Ramalason Olga ary ny minisitry ny fiompiana Ihanta Randriamandrato.

 Araka ny toromarik’Atoa Marc Ravalomanana, lehiben’ny ankolafy misy azy ireo, taorian’ny fihaonamben’ny SADC tatsy Maputo dia hiverina hiatrika ny filankevitry ny governemanta sy minisitra izy ireo rehefa nisintaka tsy nandray anjara tao anatin’ny efa-bolana teo izao. Mialoha ny hiatrehana io filankevitra io anefa dia fantatra fa hihaona manokana amin’ny Praiminisitra Beriziky Jean Omer izy ireo. Ho fantatra aorian’ny fiatrehan’izy ireo ny filankevitry ny governemanta izay votoatin’io fihaonana io, satria amin’izay izy ireo vao hanao fanambarana amin’ny mpanao gazety. Na izany aza dia nilaza ny minisitry ny fiompiana Ihanta Randriamandrato fa dia «hanara-maso ny fampiharana ny tondrozotra» izy ireo.

 
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT