Politique

Minisitra Tinoka Roberto Hanangana ANS manerana ny Faritany


  • Talata 29 Janoary 2019

Tontosa tao anatin’ny « fair play » tanteraka, omaly alatsinainy tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina,

 

 

  ny famindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny tanora sy fanatanjahantena Malagasy teo aloha, Tsihoara Faratiana,  sy ny minisitra vaovao nisolo azy, Raharoarilala Tinoka Roberto Michael.

Niavaka raha ity famindram-pahefan’ny Minjs ity satria ankoatra ireo « staff » avy amin’ity minisitera ity sy ny tanora sy mpanao spaoro maro ary mpitantana fanatanjahantena isan-tsokajiny dia nanotrona tao ihany koa ireo solombavambahoaka maromaro naman’Atoa minisitra fony izy depiote teny Tsimbazaza. Niavaka ihany koa ireo nahoda maro avy any amin’ny faritanin’i Toliara nanampy nameno ny trano nanaovana ny lanonana. Nahavaky vava ny minisitra Tinoka Roberto mihitsy izany tamin’ny fandraisam-pitenenana nataony ka nilazany fa tsy mbola nisy fahafenon’olona be toy ity famindram-pahefana tao amin’ny Minjs ity ireo vita teo aloha. Ankoatra ny fifampiarahabana sy ny firariantsoa nifanaovan’ny minisitra roa tonta nifandimby toerana dia tsy nohadinoin’izy ireo ny nisaotra ny filoham-pirenena ankehitriny nametraka fitokisana amin’ity minisitra vaovao ity. Tsy nisy nianatra ho minisitra izany, hoy ny minisitra vaovao, fa eo am-piasana no hanovozana traikefa ka manantena ny fanampianareo namana niala indrindra ianao Atoa minisitra Tsihoara sy ny ekipanao hanampy anay sy hizara an’izany traikefa azonareo teto amin’ity ministera ity izany.  Ny velirano faha-13  no mamaritra ny vina amin’ny resaka fanatanjahantena, hoy izy, raha ny velirano faha-8 kosa ny mikasika ny tanora. Efa nambaran’ny filoha Andry Rajoelina ombieny ombieny fa hifototra amin’ny fananganana fotodrafitrasa  manara-penitra isaky ny Faritra izany, hoy izy, ny fanorenana dobo filomanosana olimpika vaovao ary ny fananganana akademia nasionalin’ny spaoro tena izy mifototra amin’ny « sport étude » hahazoana mahazo vatsim-pianarana any ivelany. Nambaran’ny minisitra Tinoka Roberto omaly tetsy Mahamasina fa hasiana  ANS avokoa manerana ny Faritany eto Madagasikara. Ny asa voalohany  hataon’ity minisitera ity kosa, hoy izy, dia hanomboka amin’ny volana  ho avy io amin’ny alalan’ny fananganana eto Antananarivo ny zaridaina hisy ny “Parcours de chantier” fahita any ivelany ireny izay hisy fikotranana ara-panatanjahantena sy fialamboly maro hialana amin’ny fidorohan’ny tanora zava-mahadomelina isan-karazany. Notsindrian’ny minisitra Tinoka Roberto teo am-pamaranana fa  nampitomboina ambonimbony noho ny teo  aloha ny tetibolan’ity minisitera tantanany ity.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT