Politique

Minisitra tanzanianina Nanao inona marina ?


  • Alarobia 20 Febroary 2013

Tena ahiana mafy ny mbola hitaran’ny krizy satria na ny samy mpanelanelana aza toa tsy mitovy hevitra. Nokianin’ny Troikan’ny SADC ny fanapahan-kevitry ny Vaomieran’ny filaminana sy ny fandriampahaleman’ny vondrona afrikanina (CPS) manambara ny tsy maintsy hodian’ny filoha teo aloha ho takalon’ny fanafoanana ny sazin’i Madagasikara.

 Raha ny tena izy anefa dia eo ambany fahefan’ny Vondrona Afrikanina ny vondrona SADC ka tokony hanaiky izay fanapahan-kevitra navoakany, ka nahoana ary no sahy mitsivalana amin’io fanapahan-kevitra io ny Troika ? Dia mbola hiady hevitra indray izany ny roa tonta, asa hoe mandritra ny firy andro na firy herinandro, dia hisy fanambarana vaovao momba ny famahana ny krizy malagasy indray. Dia mihodinkodina eo ny resaka, ny datim-pifidianana anefa mandroso ihany, tsy mbola misy tokotaniny ny fampiharana ny famotsoran-keloka ary tahaka ny hoe nampirimina any ambanin’ny tany indray ny fampiharana ilay andininy faha-20 ao amin’ny tondrozotra. Mbola handinika ny tetiandrom-pifidianana koa ny Troika-n’ny SADC, ka asa izay «surprise» mbola mety hitranga eo indray.

Efa nanaiky ilay tetiandrom-pifidianana omaly ny filankevitry ny governemanta, anio kosa no handalo ny filankevitry ny minisitra izany ka ho hita eo izay ho hevitry ny filohan’ny tetezamita na hanaiky io tetiandrom-pifidianana io izy na tsia. Raha ny sitrapony mantsy dia fifidianana solombavambahoaka no atao mialoha fa tsy filoham-pirenena, ary raha ny fahitana azy dia hanao izay rehetra azony atao hahatanteraka izany i Andry Rajoelina, ary hila vonjy amin’ny mpanohana sy mpiara-miasa aminy rehetra eto an-toerana sy any ivelany. Ny mpanaraka vaovao politika dia mahatakatra tsara fa tsy tongatonga ho azy teto ireo iraky ny Troika-n’ny SADC nilaza fa nitondra taratasy manokana ho an’ny filohan’ny tetezamita avy any amin’ny filoha Tanzanianina sady filoha mitarika ny Troika.

Mety misy politika avo lenta ao ambadik’izany rehetra izany, tsy tokony hohadinoina rahateo fa efa nihaona tany Paris ny filoha Frantsay, François Hollande sy filoha Tanzanianina sady filoha am-perinasa mitarika ny Troikan’ny SADC, Jakaya Mrisho Kikwete, ary efa tonga tany Tanzania ny minisitry ny raharaham-bahiny Frantsay, Laurent Fabius. Firesahana ny raharaha Madagasikara no anton’izany rehetra izany, dia io fa tonga tampoka eto Antananarivo indray ny minisitry ny raharaham-bahiny Tanzanianina, Bernard Kamillius Membe, nandeha fiaramanidina manokana, nigadona teny Ivato omaly tamin’ny fiandohan’ny tolakandro ary tonga dia Iavoloha nilaza fa nanatitra taratasy ho an’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina avy eo. Mamofompofona politika avo lenta izany rehetra izany ary azo antoka fa tsy lavitr’izany ny diplaomasia Frantsay izay tsara fototra aty Afrika ary efa manana ny olony n’aiza n’aiza.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT