Politique

Minisitra roa kandida depiote Mitady tany malemy hanorenam-pangady


  • Zoma 15 Martsa 2019

Minisitra am-perinasa miisa roa no efa fantatra fa kandida ho solombavambahoaka, dia ny minisitry ny mponina Naharimamy Irmah milatsaka any Toamasina I sy ny minisitry ny fanabezam-pirenena Volahaingo Marie Therèse any Bealalana.

 

 

 Miseho indray izany ilay tsy fahamatorana. Miditra anaty governemanta maika ery, ary tena fifandresen-dahatra goavana vao tonga amin’izany fa tsy tendritendrena fahatany. Misy ny “contrat-programme” izay ambara fa fifanarahana nifanaovana tamin’ny filoha, ary arahina tombana afaka herintaona ka eo no mamaritra na hotazonina na tsy ny minisitra iray. Mety tsy mahatoky valera hahatratra ny fanamby mazava ho azy ilay minisitra, ka mitady tany malemy hanorenam-pangady handeha hanao depiote fa any tsy dia mafy asa, ary milamindamina ny 5 taona. Mitomboka hatrany ny karama sy ny tombotsoa samihafa mandritra izany, fa raha minisitra mety tsy ho marin-toerana. Ny fanjakana ankehitriny rahateo mbola tsy marin-toerana, ka na ny vola hoenti-miasa aza mety mbola sarotsarotra,  ka lojika raha mitady hirika ny sasany. Mety tsy milamina ihany koa anefa ny fiarahana ao anaty fanjakana ao. Tsy maintsy hisy ny fikorontanan’ny governemanta sy ny minisitera satria tsy maintsy hisy fanovana olona mazava ho azy. Ny minisitera anefa efa nisy nosoloina ny mpiasa sy ny tompon’andraikitra ambony maro, ary mbola hanao tahaka izany ihany koa izay olona ho avy eo, hany ka zary lasa sorona sy potika amin’ny tsy fahamatoran’ny mpitondra ny fitantanana ny raharaham-panjakana.

Toky R

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT