Politique

Minisitra Razanamahasoa Christine Tokony ho nametra-pialana ny minisitry ny filaminana anatiny


  • Alakamisy 09 Febroary 2012

Mitarazoka ny famahana ny disadisa eo amin’ny mpitsara sy ny polisy noho ilay raharaha famonoana ny mpitsara Rehavana Michel, tany Toliara ny 09 desambra 2011, izay feno roa volana anio.

 Na dia nilokaloka handray andraikitra amin’ireo nahavanon-doza namono ity mpitsara ity aza i Andry Rajoelina dia mbola mihenjan-droa ny tady ka mbola mikatona ny Fitsarana rehetra ankoatra ny fampanoavana. Nivoaka tamin’ny fahanginany ny minisitry ny fitsarana, Razanamahasoa Christine, omaly ka nilaza fa nanam-potoana nisorohana ireny fandatsahana aina nataon’ny polisy ireny ny minisitry ny filaminana anatiny izay tany an-toerana tamin’io fotoana io. “Tamin’ny 9 ora sy sasany no nanomboka iny raharaha raha efa tamin’ny 5 ora hariva vao namoy ny ainy Rehavana Michel, izany hoe nisy fotoana nalalaka azo nisorohana ireny”, hoy izy. Nampiany fa tsy anjarany amin’ny maha mpikambana ao anatin’ny governemanta azy no milaza na tokony hiala ny minisitry ny polisy na tsia saingy samy manana ny feon’ny fieritreretany ny tsirairay. Na dia tsy nambarany mivantana aza anefa dia anisan’ny mankato ny fialan’ity minisitra toherin’ny Sendikan’ny mpitsara ity Rtoa Razanamahasoa Christine. “Raha tany amin’ny firenena efa mandroso dia tsy nilaina akory ny fitakiana fametraham-pialana vao tonga saina fa avy hatrany dia mandtray fanapahan-kevitra”, hoy hatrany ramatoa minisitra.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT