Minisitra Razanamahasoa Christine

> Nahimpony vao niala


  • Sabotsy 02 Novambra 2013

Lasa ihany ! Raha nisy minisitra nateza tato anatin’ny tetezamita dia ny minisitry ny Fitsarana Razanamahasoa Christine.

Teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey no nanendren’i Andry Rajoelina azy tamin’io toerana io. Nohamafisina izany rehefa nijoro ny governemanta Monja Roindefo, nanohy ho azy teo ny Governemanta Mangalaza Eugène, ary mbola tafajanona tamin’io toerana io izy tao anatin’ny governemanta Beriziky Jean Omer. Olona anisan’ireo tena nitokisan’i Andry Rajoelina Rtoa Razanamahasoa Christine. Nangidy ary fahatsiarovana ratsy ho an’ny mpomba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny efa-taona mahery naha minisitra an’ity farany. Nanaratsy endrika an’i Madagasikara koa ny fotoana nitondrany io ministera io. Nahimpon-dRtoa Razanamahasoa Christine no nandaozany ny governemanta. Nirotsaka hofidiana solombavambahoaka any Ambatofinandrahana, Faritra Amoron’i Mania mantsy ny tenany, ka tsy maintsy nametra-pialana ary ny minisitry ny Atitany, Rakotoarisoa Florent no misolo toerana azy vonjimaika.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT