Politique

Minisitra Razanamahasoa Arovan’i Andry Rajoelina fatratra


  • Zoma 23 Desambra 2011

Nisy ve ny iraka nampanaovina ny minisitry ny fitsarana ka tsy vitany ?

 Raha nisy izany dia azoko atao avy hatrany ny manala azy amin’ny toerany, hoy ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina omaly teny Anosiala Ambohidratrimo. Torak’izany ihany koa ny fanazavany momba ny minisitry ny filaminana anatiny. Ny setrim-panontaniana àry dia ny hoe vitan’ny minisitry ny fitsarana ary ve ny nampitony ny mpitsara ka nampiverina an’ireo amin’ny asany ? Matoa ireo farany mirirotra dia tsy voafehin’ny minisitra misahana azy ireo.

Manaraka izany, maninona no tsy raisin’ny minisitry ny fitsarana mivantana aloha ny fiandraketana ny famonjana na tsia ireo olona tazomin’ny mpitandro ny filaminana raha tena mandray andraikitra izy ? Hatreto aloha dia ny minisitry ny filaminana anatiny hatrany no mahazo ny tsiny. Tsy mitovy ny andraikitra omena ireo minisitra roa eo amin’ny famahana ny olana. Rariny ny eny Mahazoarivo raha mangataka ny fialan’ny minisitry ny fitsarana ihany koa raha toa ka hesorina ny minisitry ny filaminana anatiny. Amin’izay tsy misy ny fitanilana. Marina loatra !

Gaby

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT