Maika ny fananantsika drafi-pirenena momba ny fampandrosoana izay efa norafetin’ny teo anivon’ny primatiora ihany saingy mila hatsaraina sy havaozina, hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny Teti-pivoarana Raveloharison Herilanto.
Zava-dehibe ho an’ny firenena tsirairay mantsy ny fisian’ny teti-pivoarana nasionaly mba ialana amin’ny tery vay manta mety hataon’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena sy ireo mpiara-miombon’antoka teknika vahiny amin’ireo karazana paikady sy fandaharanasa tsy mifanaraka loatra amin’ny filana sy ny zava-misy voarakitra ao anatin’ny teti-pivoarana tena Malagasy. Fitaovana iray manampy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ihany koa ny fananana antontan’isa mazava, araka ny fanazavan’ny minisitra. Goavana amin’io, ohatra, ny tsy fisian’ny tarehimarika marina momba ny isan’ny mponina eto Madagasikara. Niaina hatrany tamin’ny vinavina isika teto Madagasikara nanomboka ny taona 1993 teo amin’io sehatra io ka tsy maintsy manao fanisam-pirenena vaovao mialoha ny hiatrehana ireo asa fampandrosoana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.