Minisitra Ramalason Olga

> Mandray anjara amin’ny fifidianana ho tombontsoan’ny vahoaka


  • Sabotsy 21 Septambra 2013

Amboletra ary mitanila ity fifidianana filoham-pirenena izay hotanterahana ny zoma 25 oktobra 2013 ity, hoy ny minisitra Ramalason Olga avy amin’ny ankolafy Ravalomanana.

Amboletra satria dia terena ny fanatontosana izany na dia hita izao aza fa tsy misy fitoniana eto amin’ny firenena ankehitriny. Ankoatra izay dia misy ireo andininy tsy tanteraka tao anatin’ny sori-dalana raha tsy hilaza afa-tsy ny fampodiana tsy misy fepetra ireo sesitany politika, ny fanakanana sy fanilihana tsotra izao ny tena kandida natolotry ny ankolafy Ravalomanana dia i Neny Lalao Ravalomanana na dia tsy manana olana ara-pitsarana aza ny tenany ary efa nantenain’ny maro tokoa. Tsipahan-dRtoa minisitra koa ny filazan’ny ambasadaoro frantsay izay milaza fa andraisan’ny besinimaro anjara ity fifidianana ity noho io antony fandavana ny tena kandidan’ny ankolafy io. Rehefa nandinika lalina ary nijery ny fahoriana sy ny fijalian’ny vahoaka Malagasy anefa ny firehana dia tsy maintsy nanapa-kevitra nandray anjara amin’ny fifidianana ka nahatonga ny fanohanana ny kandida Robinson Jean Louis saingy mijoro kosa ho mpanohitra hatrany amin’izay mety ho fanaovana tsinontsinona ny hevitry ny maro an’isa. Mitovy ary tsy mifanalavitra rahateo ny fomba fijerin’ny roa tonta ka izay no nahatonga ny safidy niantefa tany amin’ity kandidan’ny antoko Avana ity. Nanamafy ny minisitra Ramalason Olga fa tsy matahotra fifidianana ny ankolafy Ravalomanana ary porofon’izany izao fandraisany anjara izao mba tsy hilazana fa sakana amin’ny famahana ny krizy fa kosa vonona ny hamerina ny tena fampandrosoana tadiavin’ny vahoaka Malagasy miaraka amin’ny fiainam-pirenena. Efa manana vinam-piarahamonina amin’izany fanarenam-pirenena izany, ny ankolafy Ravalomanana, hoy ny tenany.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT