sady hanao ny asan’ny minisitry ny Atitany no hisahana ny ministeran’ny Fitsarana ny Minisitra Rakotoarisoa Florent manomboka izao ka mandra-pitsangan’ny governemanta vaovao.
Izy no nanankinan’ny governemanta ny fampandehanana ny ministeran’ny Fitsarana misolo toerana an-dRtoa Ranazamahasoa Christine, noho ity farany voatery nametra-pialana satria kandida solombavambahoaka any Ambatofinandrahana amin’ny fifidianana hatao amin’ny 20 desambra ho avy izao. Vita tamin’ny alakasimy 31 oktobra teo ny famindram-pahefana teo amin’ny roa tonta. Ny hamerina ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny fitsarana no nambaran’ny minisitra Rakotoarisoa Florent fa laharam-pahamehany amin’izao andraisany an-tanana ity ministera ity izao. Marihina fa efa mpikambana tao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana Rakotoarisoa Florent, efa masoivoho Malagasy tany Canada tamin’ny fitondrana Ravalomanana, ary filohan’ny CCC na Komity fakan-kevitra momba ny lalàmpanorenana nialoha ny nanendrena azy ho minisitry ny Atitany.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.