Politique

Minisitra Rahajason Harry Laurent Handingana an’i Mahazoarivo sa hanao sambo milentika ?


  • Talata 23 Aprily 2013

Hitodika eny amin’ny lapan’i Mahazoarivo ny mason’ny mpanara-baovao maro amin’ity anio ity.

 Inona no hitranga mandritra ny filankevitry ny governemanta izay hotanterahina eny an-toerana anio, indrindra manoloana ny filazan’ny Praiminisitra lehiben’ny governemantan’ny firaisam-pirenena Beriziky Jean Omer ny zoma 19 aprily lasa teo, fa hangataka eo anivon’ny filankevitry ny governemanta ny hanesorana tsy ho mpitondra tenin’ny governematana intsony ny minisitry ny serasera, Rahajason Harry Laurent ny tenany. Nambarany fa efa fotoana ela izay no tsy tonga niatrika filankevitry ny governemanta ity minisitra tolotr’i Andry Rajoelina ity. “Hataony ahoana no hanao sonia zavatra tsy natrehany ?”, hoy ny praiminisitra.

Nampiany fa tsy azo baikoana ity minisitra ity noho izy manana fifandraisana miavaka amin’ny filohan’ny tetezamita, hany ka tsy misy azo atao aminy fa an’ny ankolafy Rajoelina izy”, hoy hatrany ny praiminisitra. Etsy ankilay dia miandry azy ny raharaha haino aman-jery nakatona tato anatin’ny tetezamita. Hitondra dosie mahakasika izany haroso mandritra ity filankevitry ny minisitra anio ity, ny praiminisitra lefitra misahana toekarena sy ny indostria Botozaza Pierrot, araka ny nambaran’ny CST Randrianjatovo Henri tetsy amin’ny Magro omaly. Handingana eny Mahazoarivo ary ve ny minisitra Rahajason Harry Laurent sa dia hanao sambo milentika ? Anio isika mahita izy !

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT