Politique

Minisitra Olga Ramaroson “Maro ireo Remenabila mambotry vahoaka”


  • Zoma 13 Jolay 2012

Tany amin’ny tanŕnan’ny masoandro no nankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ny mponina ny alarobia 11 jolay 2012 lasa teo.

 Naharitra roa andro ity fankalazana nasionaly ity tao Toliara renivohitry ny Faritra Atsimo Andrefana. Karnavaly lehibe nihodidina ny tanàna no nisantarana ny fotoana, ny alarobia maraina, ka ny lehiben’ny Faritra, Dimby Benaria François sy ny minisitry ny mponina Olga Vaomalala Ramaroson mihitsy no nitarika izany. Taorian’io vao niroso tamin’ny lahateny samihafa, niampy ireo hetsika ara-javakanto sy kolontsaina. Nandihy sy nanao fitafy avy any atsimo mihitsy ny minisitra, ka nampientanentana ny rehetra, tao amin’ny “Jardin de la mer”. Notohizana tamin’ny fitsidihana ireo tranoheva sy ny fiaraha-misakafo, ny antoandro, ka omby roa no novonoina ho nofon-kena mitam-pihavanana.

Ny tolakandro kosa izy dia nitsidika ny hopitaliben’i Toliara sy nanolotra seza kodiarana fito ho an’ireo sembana ary fanolorana loka maro samihafa ho an’ireo tanora mendrika. Nomen-danja fa ny vatana salama ihany no afaka mamokatra. Sady ny lohahevitra rahateo ny hoe : “zon’ny tsirairay ny mahazo tolotra mitovy eo amin’ny fananahana ara-pahasalamana”. Tsy natao ankilabao ihany koa ireo zokiolona sy ny olona manana fahasembanana. Nilaza nivantana ny minisitry ny mponina sy ny raharaha sosialy nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety tonga marobe tany Toliara, fa “ny departemanta tantanako dia natao ho lakolosy fanairana fotsiny ihany, fa tsy sanatria akory misalovana ny asan’ny sasany”. “Hanohy hatrany ny asa efa natombok’i Nadine Ramaroson ny tenako, na dia kely aza ny tetibola sy ny enti-manana hanatanterahana izany”.

Fifidianana ihany
 
Raha te-handroso isika, hoy ny minisitra dia tsy maintsy ampiasaina ny tanana sy ny saina. “Fa ny mampalahelo dia betsaka amin’izao ireo Remenambila mambotry ny vahoaka ka lasa toa misakana ny asa fampandrosoana eny rehetra eny. Manoloana izany dia tsy hiraviravy tanana izahay fa miezaka mamaha hatrany ny olana misy”, hoy hatrany ny minisitra Olga Vaomalala. Nambarany ihany koa tamin’io fihaonana io fa “ny fifidianana ihany no lalan-tokana hafahantsika mivoaka amin’izao krizy izao”. Talohan’izao tao Toliara izao moa dia nitsidika sy nankahery ireo mponina nitsoa-ponenana an-dRamenabila ny tenany sy ireo delegasiona niaraka taminy. Nanambara ny minisitra fa tena mahonena ny mahita azy ireo tsy misy zavatra vantanina intsony any amin’ny tanànany, ka nitondra fanampiana izahay. 
 
Nangonin’i Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT