Politique

Minisitra nivatravatra tany Antsohihy Tohina ny Tsimihety


  • Alatsinainy 20 Febroary 2012

Ahiana ho lasa lavitra ny tsindry aloka eo anivon’ny samy mpikambana ao amin’ny governemanta Beriziky miseho lany tato ho ato.

 Raha milamindamin-dratsy ny disadisa eo amin’ny minisitry ny fitsarana Christine Razanamahasoa sy minisitry ny filaminana anatiny, ny Contrôleur général de Police Rakotondrazaka Arsène dia mavaivay indray ny fifanolanana ateraky ny fifanitsahan’andraikitra eo amin’ny minisitry fanapariaham-pahefana Ruffine Tsiranana sy ny minisitry ny atitany Florent Rakotoarisoa, taorian’ny fametrahana delegasiona manokana tamina Kaominina efatra any amin’iny Faritra Sofia iny. Nampangaina ho misandoka fahefana sy andraikitra ny minisitra Ruffine Tsiranana ary dia notabatabaina tamin’ny haino aman-jery avy eo narahina be midina sady nivatravatra nataona mpikambana telo lahy ao amin’ny governemanta Beriziky, notarihin’i Hajo Andrianainarivelo, praiminisitra lefitra misahana ny fanajariana ny tany sy ny fampandrosoana, Rakotoarisoa Florent, minisitry ny Atitany ary Rahajason Harry Laurent, minisitry ny serasera tao Antsohihy ny zoma 17 febroary teo.

Namerina amin’ny toerany ireo Ben’ny tanàna efatra, dia ny ao Antsohihy, ny tao Befotaka Nord sy Ambaliha ary Andreba no anton-dian’izy ireo. Ben’ny tanàna izay efa nesorina ka nametrahana delegasiona manokana, araka ny didim-pitondrana nosoniavin’ny Praiminisitra Omer Beriziky. Ny minisitry ny fanapariaham-pahefana Ruffine Tsiranana no nametraka ireo delegasiona manokana tarihin’ny PDS ireo tany an-toerana nanomboka ny alakamisy 16 febroary teo, andro iray nialoha ity be midina ity. Raisin’ny Tsimihety ho fanalam-baraka minisitra zanak’i Sofia io be midina io ary tsy niandry ela fa omaly alahady tolakandro ihany dia nanao rodobe nifamory tao amin’ny Hotel de France ao Antsohihy ireo fikambanana terak’Antsohihy sy Sofia ary avy amina antoko politika marolafy, nanambatra feo naneho ny tsy fankasitrahan’izy ireo ny fihetsik’ireo minisitra telo ireo.

Naningotra ny atifanahin’ny zanak’i Sofia iny zava-nitranga iny, ka nivoahan’ny feo fa “tsy laitran’ny vavoninay Tsimihety ny fanimbazimbana anay aty amin’ny taninay”. Lasa lavitra ny aza ny resaka satria tonga hatramin’ny hoe “tsy mila olon’i Jao Jean Antsohihy”. Nanamafy ireo mpivory tamin’ny fanambarana nataon’izy ireo, fa “hanohana hatramin’ny farany an’i Ruffine Tsiranana” izy ireo ary hitaky ny hananan’ity farany fahefana manendry PDS.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT