Politique

Minisitra Manantsoa Victor “Hamorona krizy vaovao indray izany sori-dalana hafa izany”


  • Sabotsy 03 Martsa 2012

Efa miasa daholo ny mpiasa rehetra ao amin’ny ministera misahana ny fifandraisana amin’ny andrimpanjana (MERI) fa tsy misy mitokona intsony, hoy ny minisitra Manantsoa Victor.

 Tsara ny milaza, hoy izy, fa talohan’ny nahatongavako tao dia nihoatra ny olona 1000 no nisy tao amin’ity ministera ity. Tsy maintsy nojerena, hoy i Manantsoa Victor, ny ahazoan’izay tena niasa marina karama. Efa nahazo ny anjarany tamin’ny herintaona ny mpiasa 350 tany ho any ary notolorana koa ireo fanomezana fanao amin’ny fetin’ny Krismasy ny mpiasa sy ny ankohonany. Nanomboka tamin’ity taona ity dia efa manomboka mihodina ny asanay ka 150 no tena mpiasa ara-dalàna ao amin’ny MERI ankehitriny miampy E.F.A miisa 30 ary ampiana olona 20 avy any amin’ny ministera hafa manampy anay.

Raha atotaly dia 200 izao ny mpiasa ao amin’ity ministera ity. Raha amin’ny maha mpanao politika ny tenako avy amin’ny HPM indray kosa dia nahazo fanasana tamin’ilay Diniky ny samy Malagasy izahay ary nandefa solontena tany. Ho anay HPM dia anisan’ny nikarakara ny dinika rehetra nahatongavana amin’ny fanasoniavana ilay tondrozotra farany teo izahay. Azo lazaina fa efa mandroso dia mandroso ny fanatanterahana an’io sori-dalana io fa efa rafi-panjakana dimy izao no tafapetraka. Amin’izao fotoana izao izahay ao amin’ny govenemantan’ny fampiraisam-pirenena dia milofo marina amin’ny famolavolana ny lalàna momba ny amnistia sy ny filankevitry ny fampihavanana malagasy ary ny lalàna mikasika ny “Code d’Ethique de bonne conduite politique”. Izany rehetra izany no manambara fa mizotra ara-dalàna tsara ny fanatanterahana ny tondrozotra nosoniavina ka ny filazana fa misy tondrozotra vaovao miainga indray any, ny dikan’izay dia mamerina hatramin’ny voalohany krizy indray izay. Tsy tsara ho an’ny vahoaka Malagasy anefa ny fisian’ny krizy.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT