Anio no fotoana voatondro fa hifidianan’ireo solombavambahoaka ny solontenany ao anatin’ny Fitsarana Ambony na ny HCJ (Haute Cour de Justice),
izay rafi-pitsarana natao hitsara ireo olom-panjakana ambony, toy ny minisitra manana raharaha ara-pitsarana. Ny tsy fisian’ireo solontenan’io andrim-panjakana io hatramin’izay no voalaza fa antony somary nampihisatra ny dosie maromaro mahasaringotra minisitra. Mila ny tsodranon’ireo depiote ny fanenjehana. Dosie goavana efa somary nokitihina tamin’iny volana novambra iny, nandeha teny amin’ny PAC (Pôle Anti-Corruption) ny raharaha mikasika ny minisitry ny asa vaventy teo anelanelan’ny 2013-2014 voasaringotra amina kolikoly 700 tapitrisa narotsaka tao anaty kaontiny ; minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra iray teo aloha mahakasika tsenan’asam-panjakana tsy misy (marché fictif) mitentina 5,9 miliara ariary ; minisitry ny mponina tamin’ny taona 2018 noho ny raharaha kolikoly 1 miliara ariary. Mbola nisy minisitra voasaringotra tamin’ny raharaha famarotana ny Villa Elisabeth ka asa na voakitika na tsia ; minisitra iray iray taloha manana toerana any an-dapa any ihany koa no nanana dosie mikasika fanodinkodinam-bola sy fiara 9 ka asa na handeha ihany koa ny raharaha na ny mpifanandrina politika amin’ny mpitondra no ho lasibatra. Mety hihazakazaka ny fanenjehana ireo manana dosie maloto. Sady pimaso amin’ny mpamatsy vola rahateo io. Mpandraharaha iray lehibe voarohirohy tamin’ny fanondranana boaderozy ary notanana eny Tsiafahy efa am-bolana maro ihany koa no hiakatra eny amin’ny Tribonaly Anosy anio.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.