Minisitra kandida

> Adihevitra ny fanoloana azy ireo


  • Talata 27 Aogositra 2013

Tsy mbola tena nisy ny fanapahan-kevitra hentitra sy mazava momba ny fanoloana ireo minisitra kandida ka tsy maintsy nametra-pialana. Ny praiminisitra Beriziky Jean Omer dia efa nanolotra hevitra ihany hoe ireo sekretera jeneraly no atao solon’ireo minisitra miala.

Misy anefa ny tsy manaiky izany satria milaza mazava ny tondrozotra fa raha toa ka misy ny fialana na fanesorana minisitra dia ilay vondrona niaviany no tsy maintsy manolotra anarana, dia avy amin’izay no hanendrena ny minisitra, ny Sekretera jeneraly rahateo tsy afaka mandray anjara na manapa-kevitra amin’ny filankevitry ny minisitra. Tsy tokony hisy akory izany ny adihevitra sy fifanasana vangy ela amin’ity raharaha ity fa manolotra anarana fotsiny ho solon’izay niala ireo vondrona politika tokony hanao izany dia vita ny raharaha. Tsy maintsy misy foana anefa ny kajy politika amin’izao tetezamita izao, ka tsy mahamenatra intsony ny mivadika tamin’ny teny nomena sy ny fifanarahana nosoniavina. Efa maro ihany koa ny zavatra mety niova ka izay no mety mahasarotra ity fanolorana anarana ity. Ny praiminisitra lefitra Hajo Andrianainarivelo izao, ohatra dia ny filohan’ny tetezamita no nanendry azy.

Hanolotra anarana Hasolo azy  ary ve izany i Andry Rajoelina ? Ao amin’ny departemanta notantanany anefa dia efa nanamboatra tsara ny kianja ingahy praiminisitra lefitra. Mazava ho azy fa tsy maintsy ny olona mifankahazo tsara aminy no nomeny toerana, ka raha ity fa misy praiminisitra lefitra vaovao, tolokevitra avy amin’ny filohan’ny tetezamita, ka tsy mifankahazo amin’ireo tompon’andraikitra sy mpiasa eo ambany fahefahany dia ho raikitra indray ny savorovoro anaty minisitera. Eo amin’izay lafin-javatra izay ihany dia re koa izao fa na dia nametra-pialana aza ny minisitry ny asam-panjakana, ny asa ary ny lalàna sosialy dia nametraka fepetra amin’io fialany io. Mbola tsy milamina noho izany ity fanoloana ny minisitra kandida tsy maintsy handao ny governemanta ity, asa koa izay mbola hitranga eny amin’ny CT sy ny CST. Hatramin’ny omaly hariva, andro farany, aloha dia kandida 7 amin’ny 11 no nahatonga dika mitovy ny fametraham-pialany eny amin’ny CES. Andrasana anio ny fametraham-pialan’ny PDS.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT