Ny tsy fandehanan’ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny no mahatonga ny tsy filaminana eto amin’ny firenena, hoy ny minisitry ny Indostria, ny fampiroboroboana ny Sehatra tsy miankina ary ny orinasa madinika sy salantsalany Jules Etienne Rolland.
Ambetin-teniny rahateo ny hoe : «ilaina ny fampihavanam-pirenena eo amin’ny fitantanana ny fiainam-pirenena satria ho zava-poana ihany izay ezaka rehetra atao raha tsy misy ny fitoviam-pijery eo amin’ny fahefana mpanatanteraka» ohatra izay tokony hananan’ireo mpikambana ao amin’ireo fahefana roa hafa, hoy ny fanampim-panazavany. Aminy dia mifototra amin’ny toe-tsaina tia fihavanana no hampiverina ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Hiravona ho azy mantsy ny disadisa politika sy ny tsy fandriampahalemana rehefa mihodina ny sehatry ny toekarena Malagasy mifototra amin’ny firoboroboan’ny orinasa eto amintsika. Hivaha miaraka amin’izay ihany koa ny olana ara-tsosialim-bahoaka. Raha tanteraka ireo dingana ireo dia tsy maintsy ho tonga any amin’ny fampihavanam-pirenena isika, hoy ny minisitra Jules Etienne Rolland.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.