Hihaona amin’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny mpitondra ambony Malagasy i Jean Yves Le Drian minisitra
Frantsay misahana an’i Eoropa sy ny raharaham-bahiny Frantsay izay mitsidika an’i Madagasikara manomboka anio. Hanao jeritodika ny fiaraha-miasa eo amin’i Frantsa sy Madagasikara. Handalo ao amin’ny lapan’ny tanànan’Antananarivo avy eo, ka hiaraka amin’ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina hitsidika ny Rovan’i Manjakamiadana, izay an-dalam-panarenana amin’izao fotoana izao, ary orinasa frantsay dia ny Colas rahateo no manatanteraka ny asa. Efa nihaona moa ny an-daniny sy ny an-kilany fony Atoa Naina Andriantsitohaina minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy. Hidina ifotony hijery ireo tetikasa vatsian’ny AFD (Agence Française de Développement) vola ihany koa ity lehiben’ny diplaomasia frantsay ity. Hitsidika ny Institut Pasteur eny Avaradoha aorian’izay, ary hihaona amin’ireo Frantsay miasa sy monina eto Madagasikara. Tsy tongatonga ho azy ny fitsidihana Lehibena diplomasia Frantsay tahaka izao, fa misy lanjany lehibe ara-politika hatrany eo amin’ity firenena nanjanaka antsika ity sy i Madagasikara. Heverina fa hanamafy orina ny politika Frantsay aty Afrika satria tsy isika irery no notsidihany. Asa aloha izay ho vokatra hoentiny ho an’ny firenena, indrindra fa momba ny raharaha Nosy Malagasy, izay efa nisian’ny fananganam-bovona nataon’ny filoha Frantsay milaza fa azy sy havadiny ho tahiry voajanahary ireo nosintsika. Hatreto ny manampahefana Malagasy tsy afa-manoatra sy tsy sahy mandon-databatra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.