Politique

Minisitra Andrianjato Manatsotsotra resaka


  • Talata 01 Martsa 2016

Misoko mangina ny fisokafan’ireo radio sy televiziona tsy miankina, raha ny eto Antananarivo Renivohitra manokana.

 

 Saika haino aman-jery akaiky ny fitondrana avokoa izy ireo, hanomanana ny fifidianana amin’ny 2018. Tsy nisy anefa fotoana nandrenesana fa misy « appel d’offre » nataon’ny fanjakana hizarana maridrefy hahafahan’izay mpandraharaha vonona hanangana haino aman-jery. Manatsotsotra resaka anefa ny minisitry ny serasera sy ny filazam-baovao ary ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana, Andrianjato Vonison, raha nivahiny tamina radio tsy miankina iray teto an-drenivohitra, nilaza fa maridrefina haino aman-jery efa nisy teo aloha ireo nisokatra ireo saingy niova tompo ka nanova anarana. Nahita fanazavana vaovao indray koa ny minisitra fa miankina amin’ny fandoavan-ketra ny famaritana ny fe-potoana ahafahana misintona ny « licence »-n’ilay haino aman-jery raha tsy miasa ao anatin’ny telo volana.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT