Naneho ny fahavononany hampandroso an’i Mahajanga sy ny Faritra Boeny fiaviany, ny minisitry ny jono sy ny harena an-dranomasina Ahmad.
Niantso ny tanora tsy hidonanam-poana izy fa handray andraikitra. Hisy tolo-tanana hataon’ny minisitra amin’ny famoronana asa ho an’ny tanora. “Tsy maintsy omena asa ny tanora satria izy ireo no hoavin’ny firenena”, hoy izy. Nasiany resaka ny fitrandrahana vy ataon’ny Sinoa ao Soalala, ka nilazan’ny minisitra fa laharam-pahamehana ny fampandrosoana io Distrika io satria ao no hakan’ireo mpitrandraka ny harena ka rariny raha hamboarina ny lalana mankany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.