Politique

MINISITRA


  • Talata 28 Jona 2016

Niray feo ary nanameloka ny asa fampihorohoroana nahafatesana sy naharatrana olona teny Mahamasina ireo minisitra HVM, TIM, MAPAR 2, MAPAR 3, VPM, AVI ary tonga nitsidika ireo maratra teny amin’ny HJRA omaly hariva sady nitondra fanampiana tahaka ny lamba firakotra sy fanafody.

 


 

TSENA POCHARD

Nikatona tanteraka omaly alatsinainy ny tsena Pochard misy ireo mpivarotra asa tanana Malagasy. Tsy eken’izy ireo ny  fandroahana azy ireo. Tonga niresaka tamin’ireto mpivarotra ireto omaly ny depiote isany Naivo Raholdina sy Michelle Ratsivalaka izay samy nanamafy fa tanim-panjakana no misy ireto mpivarotra asa tanana Malagasy ireto ary hatao ny fifampiraharahana amin’ny fanjakana mba hamelana azy ireo hivarotra eo.

FADINTSERANANA

Manamafy hatrany ireo mpiasan’ny fadintseranana fa hanao fitokonana tsy manam-petra izy ireo raha toa ka manao be marenina ary tsy mihaino ny hetaheta sy fitakiany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny

BEKILY

Nilamina ny fankalazana ny fetim-pirenena tany Bekily tampon-tanàna. Ny indro kely, rehefa anjaran’ny mpanao fanatanjahantena ny hilahatra dia najanona. Tsy fantatra ny antony. Ny afomanga dia nahatratra adiny roa, 7ora hariva ka hatramin’ny 9ora alina noho ny antony ara-teknika.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT