Politique

Minisiteran’ny raharaham-bahiny Nidinan’ny praiminisitra ifotony mihitsy


  • Alatsinainy 05 Martsa 2018

Nidina ifotony teny amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny, hijery ny fizotran’ny fikarakarana ny fihaonana an-tampony faharoan’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjarampahefana frantsay sy Madagasikara ny praiminisitra,


                                                             


 lehiben’ny governemanta, Mahafaly Solonandrasana Olivier ny sabotsy teo. Tamin’izany no  nanambarany fa « fotoana iray izay hifanakalozan-kevitra sy traikefa eo amin’ireo tompon’andraikitra eo amin’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjarampahefana roa tonta ity fotoana ity. Eo koa ny fisitrahana ireo tombontsoa izay hoentin’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjarampahefana frantsay toy ny fiaraha-miasa amin’ny kaominina eto Madagasikara sy any Frantsa, izay mitondra ainga vao amin’ny fanamafisana orina ny fitsinjarampahefana eto Madagasikara. Ankoatra izay dia mety hisy fanaovan-tsonia na endriky ny fiaraha-miasa avy hatrany ho an’ireo vondrom-bahoakam-paritra tsy mbola nisitraka izany ». Hotanterahina ny 05-06-07 martsa 2018 etsy amin’ny Carlton anosy ny andiany faharoa amin’ny AICT na ny « Assises de la Coopération Internationale des Collectivités Malagasy et Françaises ». Ny sehatry ny tanora, ny lafiny fitantanana ny loza voajanahary, ny fampandrosoana ny eny ifotony ary ny fikojakojana ny rano sy ny fidiovana no anisan’ny teboka lehibe hodinihina mandritra io fihaonambe io. Olona 350 na mahery kely no andrasana ka tombanana ho 180 eo ny vahiny ary  200 ny teratany malagasy. Marihina etoana fa tamin’ny taona 2006 no fihaonana an-tampony voalohany. Fifanandrifian-javatra ve ? Nifanojo tamin’ny dian’ny minisitry ny raharaham-bahiny any Frantsa sy ny nitenenan’ity farany mantsy ny datim-pifidianana tany amin’ny fahitalavitra vahiny ity fidinana ifotony ity.

 

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT