Politique

Minisiteran’ny vola sy ny tetibola Tale 8 nosoloina


  • Alakamisy 21 Janoary 2016

Nandalovana rivodoza araka ny fomba fiteny ny tao amin’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola satria tale 8 be izao no nosoloina, araka ny tapaky ny filankevitry ny minisitra omaly.

Departemanta telo no voakasika dia ny fanaraha-maso ny fitantanam-bola, ny fikirakirana ny tsenam-panjakana (marchés publics) ary ny ao amin’ny sampandraharahan’ny hetra. Misy antony lehibe matoa tale 8 be izao no nosoloina ary tsy maintsy misy idiran’ny amin’ny resaka vola na ny fitantanana tsy mahomby na ny resaka kolikoly sy afera izy ity. Efa tena malaza ratsy amin’ny fisian’ny afera sy kiantranoantrano tokoa mantsy ny ao amin’ny tsenam-panjaka (marchés publics) sy ny sampandraharahan’ny hetra, maro be ny olona velon-taraina fa tena miteny ny vola ao ary misy manankarena haingana dia haingana ny tompon’andraikitra sasany. Ankoatra izay moa dia voatendry ho DAF (Directeur Administratif et Financier ) an’ny primatiora ihany koa Atoa Randriamaro Serge.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT