Politique

Minisiteran’ny rano Tetika handotoana ny TIM


  • Alatsinainy 18 Aprily 2016

Mbola adihevitra hatramin’izao ny firafitra sy ny fanendrena ireo mpikambana ao amin’ny governemanta Solonandrasana Mahafaly Olivier.

Tsy nanao fanambarana ofisialy na handray anjara na tsia amin’ny governemanta Mahafaly ny Tiako i Madagasikara, tarihin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, saingy mamerimberina hatrany ny fahavononany hiasa miaraka hampandrosoana an’i Madagasikara fa efa tena sahirana loatra ny vahoaka Malagasy. Mety ho izay no nanendren’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina ny lehiben’ny ankolafy Ravalomanana tamin’ny tetezamita, Ravatomanga Rolland ho minisitry ny rano sy ny fahadiovana ary fidiovana ao amin’ny governemanta Mahafaly Olivier. Efa minisitra hatramin’ny tetezamita iombonana tao amin’ny governemanta Beriziky Jean Omer izy, minisitra tao amin’ny governemanta Kolo Roger sy ny governemanta Ravelonarivo Jean ary izao mbola notazomina ao amin’ny governemanta Mahafaly Olivier izao. Mampiahiahy ireo mpomba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny nametrahana an-dRavatomanga Rolland ao amin’ny minisiteran’ny rano. Raisin’izy ireo ho tetika haminganana sy handotoana an’i Marc Ravalomanana sy ny antoko Tiako i Madagasikara tarihiny mihitsy aza. Nitaky ny hamerenana ny SAMVA amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny mpitantana ny tanàna ankehitriny, tarihin’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Ny SAMVA moa dia miantoka ny fakana ny fakon’Antananarivo, ary miankina mivantana amin’ny minisiteran’ny rano izy io amin’izao. Sahirana hatrany ny SAMVA amin’ny fanalana ny fako noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana ara-bola sy ara-pitaovana. Nailiky Dr Ndahimananjara Johanita, minisitry ny rano teo aloha, tany amin’ny CUA ny rihitra, nampangainy ho tsy mandrotsaka ny vola tokony halefany any amin’ny SAMVA ka izany no mampitobaka ny fako. Nisy ny fanohanana ara-bola nataon’ny fiadidiana ny Repoblika hanalana ny fako. Voafetra ihany anefa izany, ka rehefa dila ny fe-potoana dia hiverina hizaka samirery ny andraikiny amin’ny fanalana fako ny SAMVA ary dia hiverina indray eo ny olana teo aloha. Tsy ho vitan’ny SAMVA ara-potoana ny fanalana ny fako ary dia hitohana indray izany. Dia ho mora ny fanomezan-tsiny amin’izay. Hifatratra ho azy any amin’ny TIM ny rihitra, satria TIM ny Ben’ny tanàna, olon’ny TIM ny minisitra ary voatonontonona hatrany amin’ny anaran’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Koa eo no mampiahiahy ny mpiara-dia amin’ity farany, fa toa tsipy hoditr’akondro ataon’ny HVM amin’ny TIM ity nanendrena an-dRavatomanga Rolland ho minisitry ny rano sy ny fahadiovana ary fidiovana ity.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT