Very anjavona ankehitriny ny ezaka fikarakarana vahoaka nataon’ny minisitra Nadine Ramaroson tamin’ny fanatanterahana ilay tetikasa lehibe «Dina velirano sosialy» raha tarafina amin’ny zava-misy eo anivon’ny minisiteran’ny mponina amin’izao fotoana izao.
Fanarenana ifotony ny fari-piainan’ny vahoaka Malagasy izay tafiditra lalina tao anaty fahantrana no tanjonan’io dina io. Andro iraisam-pirenena ho an’ny fianakaviana omaly alakamisy 15 mey 201 ary tokony ho nisy ny hetsika nataon’ny minisitera hankalazana izany andro izany tamin’ny fomba ofisialy araka ny fanao isan-taona. Tsy nisy anefa izany tamin’ity indray mitoraka ity, noho ny tsy fisian’ny vola araka ny voalaza. Ao anatin’ny fanavaozana ny trano fiasana sy fanoloana ireo fanaka isan-karazany anefa ny minisitera amin’izao fotoana. Izany hoe misy ny vola fa ampiasaina amin’ny zavatra hafa. Miova andriana, miova sata.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.