Nahery vaika araka ny fomba firesaka ny rivodoza nandritra ny filankevitry ny minisitra notanterahana teny Iavoloha ny alarobia tolakandro teo.
Nirarakompana ny fanesorana tompon’andraiki-panjakana ambony sy ny fanendrena avy hatrany ny solon’izy ireo. Mitana ny laharana voalohany ny ao amin’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena. Tompon’andraikitra 16 be izao no nosoloina, ka anisan’izany ny komandin’ny hery vonjy taitra (RFI), ny komandin’ny tafika ana habakabaka sy an-dranomasina. Nosoloina tahaka izany koa ny komandin’ny hery fampandrosoana. Nosoloina ihany koa ny lehiben’ny faritany miaramila voalohany, faharoa, fahatelo, fahadimy ary fahafito. Ho an’ny minisiteran’ny atitany indray dia filohan’ny faritra 2 ( DIANA, Androy) sy sefo distrika 7 no nosoloina. Nahazo ny anjarany koa ny tao amin’ny ministeran’ny filaminam-bahoaka satria tompon’andraikitra 7 ihany koa no nosoloina. Manampy ireo dia manohy ny fanendrena ireo olom-baovao hiara-kiasa aminy ireo minisitra nafindra toerana sy minisitra vaovao. Marina fa fararanom-panendrena sy fizarana seza ny eto amintsika isaky ny misy faovana governemanta fa na izany aza mahalasa fisainana ihany ity fanovana ny fibaikoana maro be tao amin’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena ity, tranga izay toa manamarina fa nisy ny zavatra tsy nilamina na tsy voafehy ka tsy maintsy nosoloina ireo tompon’andraikitra teo aloha. Tahaka izany koa ny tao amin’ny minisiteran’ny atitany, samy minisitera saropady izy roa ireo ary azo itarafana ny fitoniana na fikorotanana eto amin’ny firenena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.