Politique

Mikorontana ny fitondrana Mitazam-potsiny ny Filoha sy ny PM


  • Sabotsy 02 Aprily 2016

Vao afak’omaly no nanaovana fanamarihana fa tsy mandeha amin’izay laoniny intsony ny fitantanana ny raharaham-pirenena eto Madagasikara.

 

Omaly indray dia voaporofo fa miady an-trano sy tsy misy fandrindrana intsony ny asan’ny governemanta raha ny olana niseho teny Ambohipo no nitarafana azy.

Miady an-trano

Tsy tahotra tsy henatra intsony dia mifanebaka eny imasom-bahoaka ny mpiasam-panjakana ambony eny anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany izay manome tsiny an-karihary ny minisitry ny asa vaventy amin’ny tsy nahavitany ny fampanantenana nataony amin’ny hanamboarana ny lalàna eny Ambohipo. Ny tena marina anefa dia samy tsy mahomby ny roa tonta fa samy be resaka fotsiny. Ny Tombony kely ananan’ny minisiteran’ny Fanajariana ny Tany izay nampanantena ny hamboatra ny lalana eny Ambohipo ao anatin’ny fotoana fohy fotsiny dia ny fananany vola tonga dia vonona avy hatrany azo ampiasaina. Tsy tokony hohadinoina anefa fa volam-bahoaka io lalaoviny io ary tsy ahitan-teny ny filoham-pirenena. Miady an-karihary ny minisitra kanefa tsy hita izay fanapahan-kevitra raisiny. Ny praiminisitra moa dia toa lasa tsangan’olona fotsiny. Anjarany anefa ny mandrindra ny asan’ireo minisitra mba tsy hifanitsaka andraikitra. Izany ve no fanjakana tsara tantana ? Efa ho iray volana mahery izay no tsy nisy minisitry ny Jono sy ny Zava-kanto sy ny Kolontsaina fa tsy hita izay fanapahan-kevitra raisina. Ny Fahitalavi-pirenena tsy manana tale mpitantana hatramin’izao. Dia mihevitra ve ny filoham-pirenena fa tsy mahatakatra izao olana misy izao ny vahoaka na ny ato anatiny na ny any ivelan’ny firenena ? Eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana indray dia mikononkonona handaka olona hofidiana ho mpitarika sendikalin’ny mpiraki-draharaha ny mpitondra fanjakana amin’ny alalan’ny minisitera satria matahotra ny tsy hahita vahaolana amin’ny fitakiana sendikaly izay ataon’ny mpiraki-draharaha amin’ny 11 aprily 2016. Dia izany ve sisa no fomba fiasa amin’ny tany milaza ho mandala ny demokrasia ? Inona no idiran’ny minisiteran’ny Fitsarana amin’ny fifidianana sendikaly eny anivon’ny mpiraki-draharaha ? Mahamenatra !

Andry Ratovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT